Nanatontosa ny Alahamadibe ihany koa ny teny Ambohitrimanjaka. “Alahamadibe Ambonivohitra Ambohitrimanjaka, Efa-dray Efa-dreny” no niantsoana azy. Ny Zanadrano mpitana fomba, niaraka tamin’ny fikambanana samihafa avy eny an-toerana no nikarakara ny hetsika. Nampiavaka ny teny Ambohitrimanjaka ny fisian’ny santa-bary.
Nandritra ny Alahamadibe, nisy ny fanaovana ny santa-bary sy ny famerenan-kasina natao teny amin’ny vohitr’Ambohitrimanjaka. Manao fihinanambe amin’ny alalan’ny vokatry ny tany ny mponina, ho fisaorana an’Andriamanitra sy ny razana. “Efa fomba fanao izy io saingy maro ny tanora sy ny ankizy taty aorina no tsy mahafantatra izany fomban’ny razamben’ny tanàna izany. Natao izao ho famerenana hasina ny tanàna sy ho fampahafantarana izany fomba izany”, hoy ny tomponandraikitry ny Zanadrano mpitana fomba.
Ankoatra izay, nisy ny fandroana sy fidiovana. Teo ihany koa ny hiragasy sy ny nofonkena mitam-pihavanana.
Lin (Mpianatra asa)