Varotra amin’ny « facebook » : roa lahy mpanao trafikana « Skunk » nosamborina

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika “Skunk”. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny By-Pass, tamin’ny alahady maraina, izy roa lahy. Nahazo loharanom-baovao ny polisy (Stup) fa misy olona mivarotra “Skunk” eny Imerintsia­tosika. Nametraka ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy ka teny By-Pass no fotoana hanaovana ny fifampivarotana. Ny alahady teo, nisy lehilahy roa tonga teny an-toerana. Nosamborin’ny polisy ry zalahy ka hita nandritra ny fisavana ny fonosana “Skunk” 20 isa, milanja 62,56 grama. Nentina eny amin’ny biraon’ny polisy nanaovana fanadihadiana. Niaiky izy ireo fa mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Efa ho telo volana no nanaovan’izy ireo izany. Amin’ny alalan’ny “facebook” sy antso an-tariby no hifampivarotana. Avy any Ankadinondry Sakay no fividianana ny “Skunk”. Amidy antsinjarany rehefa tonga eto an-drenivohitra.

Jean Claude

Partager sur: