Tsy horaisin’i Madagasikara ny “IHF Trophy”, ho an’ny faritra fahenina, taranja handball. Tsy misy afa-tsy ny Akio sy i Seychelles ihany mantsy no hany mandray anjara. Araka izany, notapahan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny IHF fa hafindra any amin’ny faritra fahenina izy ireo no mifaninana.
Noho ny tsy fahampian’ny firenena mandray anjara ao amin’ny faritra fahafito, hiady ny ho tompondakam-paritra amin’ny “IHF Trophy 2023”, taranja handball, voatery nafindra any amin’ny faritra fahenina i Madagasikara sy i Seychelles. Voasazy i Comores sy i Maurice ka tsy anisan’ireo mifaninana.
Hatao atsy Afrika Atsimo ny fihaonana ho an’ny faritra fahenina, ny 23 ka hatramin’ny 27 mey ho avy izao. Hanana ny lanjany lehibe ity fifanintsanana ity satria hiatrika ny fiadiana ny “IHF Trophy Continental”, izay tompondaka eo. Hiady lohany ho an’ity faritra fahenina ity i Zambie, i Zimbabwe, i Lesotho, i Malawi ary i Afrika Atsimo mpampiantrano. Tsiahivina fa natokana ho an’ny sokajy vehivavy, cadette sy junior, ihany ny “IHF Trophy”, amin’ity 2023 ity.
Mandra-piandry izany, efa ao anaty fanomanana ny Federasiona malagasy. Ankoatra izay, hiditra amin’ny fampivondronana faharoa ireo mpilalao voafantina hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny volana mey ho avy izao, raha ny lamina efa voapetraka.
Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny federasiona amin’ity. Hotanterahina any Mahajanga, ny 3 – 12 aogositra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny (Minime, cadet, junior), lahy sy vavy. Any Antsiranana kosa ny an’ny “sénior”, ny 27 septambra ka hatramin’ny 8 oktobra 2023. Hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2023), izay voalohany eo amin’ny lehilahy sy vehivavy. Fihaonana, hatao any Rodrigues, ny volana desambra raha tsy misy ny fiovana.
Tsiahivina fa faharoa ny Mi-Sah, teo amin’ny vehivavy ary fahefatra ny Cosfa, ho an’ny lehilahy, nandritra ny CCCOI, natao teto Madagasikara, ny taona 2022.
Tompondaka