« Barthes Trophy 2023 »: lavon’i Côte d’Ivoire ny Makis de Madagascar

Tsy nahomby indray ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana « Bar­thes Trophy U20 », 2023, ta­ranja rugby aty amin’ny kaontinanta Afrika. Niondrika tany amin’ny ora farany ny Mala­gasy, resin’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 16 no ho 11. Fi­haonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Nyayo National Kenya, omaly.
Raha hiverenana ny lalao, niady tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany saingy nitarika tamin’ny isa teny amin’ny solaitrabe foana i Cote d’Ivoire. Ka ny isa 6 no ho 3 no nentina niala sasatra. Rehefa niditra ny fizaram-potoana faharoa, naneho ny hakingana sy ny tsipitsipy haingana ny Malagasy, nisy ny baolina nentin-tanana na­taon’izy ireo, saingy lasa aloha ny tolotra (passe avant) ka nolavin’ny mpitsara izany. Taorian’io, nampiseho ny mpilalao malagasy fa hain’izy ireo ny manipy baolina malaky, ka nahatonga  essaie  indray i Julla, ny minitra faha -68. Lasa 11 no ho 9 ny isa.
Taorian’io, nanao fahadisoana ny Malagasy, teo amin’ny minitra faha-78, ka na­taon-dry zareo Elefanta « pe­nal touche » izany. Tsy nahatohitra ny tosika be nataon’ny Ivorianina ny mpilalao malagasy ka lasa « essaie » izany. Lasa 16 no ho 11 ny isa, nandresy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Faharesena roa nisesy izay no azon’ireo Makis zandriny. Tsiahivina fa lavon’i Tonizia, tamin’ny isa 50 no ho 16, izy ireo, nandritra ny andro voalohan’ity fifaninanana « Barthes Trophy » ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: