Notanterahina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, omaly, ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika “Madagascar Wrestling Megaweek 2023”. Nizara ny traikefany teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana vahiny, efatra mirahalahy. Marihina fa efa nanomboka ny 20 avrily lasa teo ny fiofanana, ary hifarana amin’ny 30 avrily izany.
Vahiny manana ny lanjany tokoa izy ireto, anisan’izany i Vincent AKA, Charles Villet, Frédéric Rubiot sy Didier Sauvaire, izay filohan’ny fikambanan’ny federasionan’ny «Francophonie». Miisa 75 ireo mpiofana, ka ny 25 mpitsara, 25 mpanazatra ary atleta ny sisa ambiny. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Raveloson Mamitiana fa, hifampizara traikefa no tena anton’izao fampiofanana izao, ankoatra izay, hanomana ny Lalaon’ny Nosy sy ireo fifaninanana iraisam-pirenena maro afaka fotoana vitsy, toy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny fifanintsanana hiakarana amin’ny Lalao Olympika 2024.
Ankoatra izay, misy ny fanomezana ny zava-baovao amin’ny lafiny teknika, izay mivoatra be amin’izao. Olona samy manana ny mampiavaka azy ireto vahiny ireto, hoy hatrany ny filohan’ny federasiona. Marihina fa hisy ny fizarana « certificat », hosoniavin’ny filohan’ny federasiona Iraisam-pirenena amin’ny fiafaran’ny fiofanana.
Fitia (Mpianatra asa)