Karateka Malagasy: 154 ireo olona niofana tamin’i Hanshi René

Tonga nanome fiofanana ho an’ireo olona marobe tonga teny Mahamasina, i Hanshi Ramanitrandrasana René, Malagasy mpikatroka 10ème Dan. Anisan’ireo mpikatroka nasaina tao i Ylias Akbaraly, mpikatroka 5ème Dan amin’ity taranja ity ary filoha tale jeneralin’ny Redland.

Miisa 154 mahery ireo olona tonga nana­trika ny fiofanana no­tarihin’i Hanshi Ramani­tran­­dra­sana René, Malagasy mpikatroka 10ème Dan amin’ ny karate eto Madagasikara. He­tsika, nanomboka omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Anisan’ireo olona nasaina manokana hanatrika ity fiofanana ity i Ylias Akbaraly, fi­loha tale jeneralin’ny Redland, izay 5ème Dan amin’ity ta­ranja ity. Tonga nanatrika tao ihany koa ireo olona avy any amin’ ny faritra, anisan’izany ny fa­ritra Diana, Vakinankaratra.

Tsiahivina fa namorona ny karate voalohany teto Mada­gasikara i Hanshi René, ary izy ihany no nanangana ny klioba Karatedo malagasy tao Behoririka. Anisan’ireo mpianatra novolavolaina tao ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Marihina fa anio, misy ny fiofanana “kata” ataon’ i Hanshi René, miampy ny fi­fampizarana traikefa ataon’i Ylias Akbaraly. Araka ny fa­nazavana nataon’ny Sensei Rakotonirina Marcel, filohan’ ny komity mpikarakara ny hetsika dia hisy ny fifanina­nana “Coupe Ramanitrandra­sana René”, izay hatao raham­pitso eny Ambatobe.

Fitia (Mpianatra asa)

Hoy izy ireo :

Hanshi Ramanitrandrasana René, Mala­gasy mpikatroka karateka, 10 ème Dan
“Mahafinaritra, mahafaly ahy ny mahita ireo tanora sy olon-dehibe maro milona anatin’ny taranja Karate. Nataoko ho maimaimpoana ny fiofanana, nahafaly ahy ny nahazoako ny ambara­tonga 10ème Dan. Hitondra sy hampianatra ny tena toe-tsaina entin’ity taranja ity ny tenako, anisan’ izany ny fandeferana, ny finiavana ny hanasoa ny tanindrazana, ny fanetren-tena ary ny fahaizana miaina eo anivon’ny fiarahamonina.”

Ylias Akbaraly, filoha tale jenera­lin’ny Redland, Malagasy mpikatroka karateka 5ème Dan
“Ny taranja karate dia fiainana ho ahy. Tombony amin’ity taranja ity ny fananana ny hatsaram-panahy, ny finiavana, ny fahatsoram-po sy ny fahama­rinana ary ny fanetren-tena, miampy ny fifehezan-tena. Voninahitra ho ahy ny niofana niaraka tamin’i Hanshi Ramani­trandrasana René.”

Partager sur: