Montfort Saint-Gabriel : mankalaza ny faha-8 taona nitsanganany

Nosokafana, omaly, ny fankalazana izay faha-8 taona izay, ka natomboka tamin’ny diabe nanodidina ny sekoly. Hitohy amin’ny fotoam-pivavahana omaly zoma maraina ary nisy ny sahoby ny hariva. Fifa­ninanana Miss & Mister kosa no hatao, anio sabotsy, ka hofaranana amin’ny fifaninanana basikety sy baolina kitra ary fampisehoana hataon’ny Misie Sayda sy Nael, rahampitso alahady 30 avrily. Ham­piavaka ny fetin’ny sekoly amin’ity taona ity ny fanasongadinana ny maha malagasy, araka ny fanazavana nentin’ny Talen-tsekoly, Frère No­menjanahary Célestin.
Tsiahivina, mahatratra 500 ny mpianatra ao amin’ity Sekoly ity, izay ahitana kilasy faha-6 hatramin’ny kilasy famaranana. 35 mianadahy kosa ny mpanabe miara-mi­salahy amin’ny fanabeazana ny mpianatra. Efa fanao isan-taona ny fankalazana ny fetin-tsekoly toy izao.

Mi.Raz

Partager sur: