Hotanterahina ny 7 hatramin’ny 13 mey ho avy izao, any Doha Qatar, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany Senior, taranja Judo. Manana solontena roa i Madagasikara.
Hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny sokajy Sénior, taranja Judo i Madagasikara. Hihazo an’i Doha, renivohitry Qatar Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) sy Ramiandrisoa Haingo (+70kg). Nahazo tso-drano avy amin’ny filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo), Randrianasoloniaiko Siteny izy ireo, omaly. Ity farany izay, nitondra ny anjara birikiny, tamin’ny fanampiana ny delegasiona malagasy. Nanampy tamin’ny tapakila sy ny hotely hivantanan’izy efatra mianadahy. Marihina fa hiara-dalana
amin’ny mpikatroka ny filohan’ny federasiona malagasin’ny Judo, Bruno Eic Said sy ny Tale teknika nasionaly,
Andriamasinoro Mamy.
Tanjona amin’ny fifanampiana ny hahazoana vokatra tsara. Efa noporofoin’ny FMJ sy ny atleta malagasy ny ezaka azo tsapain-tanana. Anisan’izany ny vokatra azon’ i Laura, nandritran’ny fifaninanana afrikanina, izay nahazoany medaly volamena 5 sy alimo 1. Ankoatra ny tapakila sy hotely, notolorana Kimono ihany koa i Laura. Nisaotra tamin’ny fanampiana ny teo anivon’ny federasiona.
Mi.Raz