Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja kick boxing, mpikatroka valo mianadahy no mikasa hihazo an’i Maorisy, ny 3 jona ho avy izao. Hisy ny ady matihanina sy «combat de défi» hatrehan’izy ireo any an-toerana. Tepany 3 no hiadivana amin’io fotoana io, misy ny “intercontinental” miisa 2 hifanandrinan’ny tompondaka eran-tany ao Maorisy sy ny any Torkia. Eo ihany koa ny “Wako Pro Africa” hihaonan’i Maorisy sy Madagasikara, eo amin’ny sokajin-danja 51 kg. Ankoatra izay, hisy ny “combat de défi”, hifandonan’i Maorisy, i Madagasikara ary i Afrika Atsimo.
Efa nanao fanazaran-tena ireo atleta voatsonga ireo, nanomboka ny volana marsa lasa teo sy tamin’ity volana avrily ity. Hiditra amin’ny fampivondronana faharoa kosa amin’io herinandro ho avy io, araka ny fanazavan’ny Tale Teknika Nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasy ny kick boxing. Efa nisy ihany koa, hoy izy, ny ady fitsapana teo amin’ny mitovy lanja.
Miantso fanampiana!
Na dia eo aza ny fahavononan’ireto atleta malagasy ireto, mbola misy ny tsy fahampian’ny hoenti-manana amin’ny fandefasana azy 8 mianadahy sy ny mpanazatra, amin’ity fifaninanana ity. Hanomana fifaninanana hitondrana avo ny voninahi-pirenena izy ireo, ka miantso ny fanjakana sy izay malala tanana rehetra hanohana azy ireo, eo amin’ny saran-dalana hihazoana an’i Maorisy. Tanjon’izy ireo ihany koa ny hamerina ny lanjan’ny kick boxing eto Madagasikara.
Mi.Raz