Hotanterahina anio eny amin’ny Pic Vert Ambatobe, ny fiadiana ny amboara amin’ ny taranja Karate, mitondra ny anarana “Coupe René Ramanitrandrasana”. Anisan’ ireo olona nasaina manokana hanatrika ity fifaninanana ity, i Ylias Akbaraly, filoha tale jeneralin’ny Redland, 5ème Dan. Misokatra ho an’ny klioba rehetra ny fifaninanana, anio. Etsy andanin’izay, nifarana, omaly, ny fiofanana niarahana tamin’i Hanshi René, ilay teratany malagasy hany manana ny laharana 10è Dan. Hetsika nanomboka ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Tonga nanatrika ity lanonam-pamaranana ity, Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasion’ny karate malagasy. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora.
Fitia (Mpianatra asa)