Amin’ny maha fikambanana fiarahamonim-pirenena (OSC) azy, mijoro eo anilan’ny vahoaka sy ny maro anisa hatrany ny Sehatra iombonan’ny fananantany (Sif). Nilaza ny mpandrindra mpanatanteraka (SE), Raparison Eric, omaly, fa maro ny olan’ny fananantany eto amintsika, fa azo adika fa saika mitovitovy amin’ireo tranga telo voarainy daholo izany. Aminy, tokony tsinjovina ny zon’ny daholobe.
Miisa 50 ny trano noravana, tamin’ny 25 avrily, teny Ambohimahitsy, ampitan’ Ambohibe ary misy hafa kasaina mbola harodana. Tany ifanolanan’ny fiangonana iray sy ireo mponina nanorina trano teo. Rehefa tena zohina ilay toerana, misy fifandisoana ny laharan’ny niandohan’ny titra. Raha ny voalaza any anaty sarintany, laharana 1809 ny titra niandohany, ary lasa titra laharana 977, ao anatin’ny firaiketana tamin’ny taona 1902. Nefa misy titra niandohana laharana 1802 ihany koa, nahatonga ny titra laharana 977. Voalaza fa tsy hita intsony anefa ity titra iray laharana 1802 ity. «Sao misy fifandisoana ara-pitsarana ity raharaha ity», hoy ny SE-n’ny Sif, Raparison Eric.
Tsy azo alaina ny vary
Tranga faharoa, ny any Mampikony. Nahazo didim-pitsarana ny mponina mba ahafahan’izy ireo mampiasa ny tany ao anatin’ny fotoana voafetra, ny desambra 2022 teo. Afaka namboly vary izy ireo, miaka-bokatra ankehitriny, izay tombanana hatrany amin’ny 5.000 t. Fantatra izao, fa misy ny fikasana hisambotra ireo tantsaha.
Fahatelo, any Amparafaravola, toerana amoron’ny arabe (trottoir), tadiavin’ny olon-tsotra hobodoina ho azy samirery. Misy tranoheva am-polony mivarotra eo amin’ilay toerana, fa mifanila aminy ny an’ilay olon-tsotra iray. «Tadiaviny harodana ireo tranoheva, fa hananganany toeram-pivarotana ho azy manokana. Nefa samy tsy tompony izy sy ireo olona mivarotra amin’ny tranoheva, na efa teo nandritra ny 38 taona aza ireto farany», hoy ihany ny fanazavany.
Njaka A.