Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo olona dimy tompon’antoka tamin’ ilay raharaha fitondrana vola sandoka tratra tao anaty seranam-piaramanidina Ivato, afakomaly. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandary, vola vahiny sandoka mitentina 500 euros roa no tratran’ireo zandary misahana ny seranana iraisam-pirenena Ivato.
Nentin’ireo jiolahy saika hatakalo tao amin’ny toerana fanakalozam-bola ao an-toerana sy nentina nisolokiana ireo vola sandoka. Dimy ny voarohirohy tamin’ity raharaha ity sady mpiray tendro amin’ny atidoha amin’ny fanamboarana vola sandoka. Nosamborina avy hatrany izy ireo ka nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny zandary. Samy niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nohamafisin’ny zandary fa mbola misy vehivavy roa hafa karohina amin’ny raharaha. Tsikaritra tato ho ato fa gaboraraka ny fisian’ireo mpanera vola vahiny ka ahina ho antony iray mahatonga ny fiparitahan’ny vola sandoka.
Jean Claude