Voasambotra niaraka tamin’ny basimborona, marika Baikal Calibre 12 tsy misy taratasy, ny dahalo iray tao Ambatoabo Soaranoninandroa, fokontany Agnena, kaominina Beahitsy, distrikan’ Ampanihy Andrefana , afakomaly. Nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Sarona niaraka tamin’io basy io ity dahalo ity. Nahitana moara niampy fitaovana fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny teny amin’ity dahalo ity. Tra-tehaka teo aminy koa ireo omby 11. Tsy nisy taratasy avokoa izany. Mandray an-tanana ny famotorana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao an-toerana hamatarana ny tompon’omby.
Tsiferana R.