Manampahaizana iraisam-pirenena mikasika ny lalàna i Raphaël Jacoba. Anisan’ny nandrafitra ny lalàna ho an’ny fampiasam-bola aty Madagasikara, ny mifehy ny fifanakalozam-bola, ny faritra toekarena manokana (ZES), sns.
Manodidina ny 1,5 miliara dolara ny fampiasam-bola ilaina eto amintsika, araka ny antontan’isa navoakan’ny Fiombonan’ny mpahay toekarena eto Madagasikara (Crem). Ho an’i Raphaël Jacob, tena kely ny harena vokarina eto an-toerana, ka mifanalavitra be amin’io filàna io. Izay no tokony hanomezan’ny mpitondra fanjakana vahana ny fisarihana ny mpampiasa vola vahiny (IDE) sady hanohanana azy ireo.
Aminy, vitsy ny mpampiasa vola vaventy vahiny eto amintsika, tsy misy afa-tsy Ambatovy (8 miliara dolara).
Miandry ela loatra
Simba ny endrik’i Madagasikara, satria sakanana ny tetikasa lehibe sasany, izay efa tonga teto hatry ny ela. Anisan’izany ny lafiny harena an-kibon’ny tany, toy ny Blackearth minerals, ny Akor Iron Ore, ny Next source (mampiasa vola maherin’ny 1 miliara dolara), sns.
«Miandry ela loatra ny fanjakana, noho ny olana amin’ny fitantanana, toy ny tsy famoahana fahazoan-dalana efa nanomboka ny taona 2010. Toraka izany koa ny tetikasa goavana Sahofika, hananganana tohodrano mamokatra herinaratra sy ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Base Toliara», hoy izy.
Nambarany fa, tsy naato ny tetikasa Sahofika, fa olana ny lafiny fifanarahana Engineering procurment contract (EPC). Efa nisy sonia natao ny novambra 2021, saingy miantraika any amin’ny tetikasa izany. Niakatra ho manodidina ny 1 miliara dolara ny fampiasam-bola, noho ny ady any Ukraine, satria nisondrotra ny vidin-javatra, raha 800 tapitrisa dolara tany aloha.
Tokony hahitsy
Ho an’ny Base Toliara, «azo sokajiana fa anisan’ny tena niantraikan’ny lafiny politika ity tetikasa ity» hoy i Raphaël Jacoba. Manodidina ny 700 tapitrsa dolara ny fampiasam-bolany,izay tokony ho tetikasa goavana faharoa, fehezin’ny Lalàna mifehy ny fampiasam-bola vaventy amin’ny harena an-kibon’ny tany (LGIM) aorian’Ambatovy. Ity lalàna ity izay tokony havaozina tsy ho ela, taorian’ny nandaniana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany farany teo. «Tsy mazava ny tena antony nampihantonan’ ny fanjakana azy ny taona 2019. Mila ahitsy izany satria mila mandroso isika, sady manaraka akaiky ity raharaha ity ny mpandraharaha iraisam-pirenena amin’ny harena an-kibon’ny tany. Miantraika amin’ny fandraharahan’ny vahiny eto amintsika koa ny fahamarinan-toeran’ny politika, indrindra hiditra amin’ny fifidianana isika», hoy ihany izy.
Njaka A.