Fanaovana hosoka : zandary iray naiditra am-ponja

Zandary am-perinasa iray, mpanao hosoka amin’ny varotra simenitra, no naiditra am-ponja. Efa mpamerin- keloka izy, raha ny fanazavana avy amin’ny fitsarana. Nahafahana nanenjika azy ny fitorian’ny mpanjifa sy ilay orinasa lasibatra.

Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’Am­ba­la­tavoahangy, ny 21 jona lasa teo, ny zandary milanja ny galona GHC iray, voarohirohy amina halatra simenitra. Tsy vitan’izay fa nampiasa marika simenitra an’ny orinasa mpanao simenitra, tsy nahazoana alalana ary fivarotana entana hosoka koa izy. Ireo ny votoatin’ny fiampangana nataon’ny orinasa iray manoloana izao raharaha izao. Ny teo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava no nanao ny famotorana azy ka nitondra ny raharaha teo anivon’ny fampanoavana. Taorian’ny fihainoan’ny mpam­panoa lalàna azy, nalefa teny amin’ny mpitsara mpanao fanadihadiana sy fikarohana lalina ny antontan-taratasin’ady, noho ity raharaha ity tsy vitan’olona iray fa misy tambajotra goavana. Fantatra fa efa ela rahateo no nanaovan’izy ireo ity asa ratsy ity. An-jatony ny mpanjifan’ilay orinasa iray mpamokatra simenitra ao Toamasina nametraka fitarainana fa ratsy ny simenitra vokarin’ny orinasa. Manoloa­na izany, nanao fanaraha-maso hentitra ireo simenitra mivoaka ao aminy ny teo anivon’ny orinasa sady nanontany ireo olona sy ny toerana hividianan’ireo mpanjifa simenitra voalaza fa simba.

Na­hitam-bokany izany, ny fiandohan’ny volana jona, tratra ny magazay iray lehibe feno simenitra efa maty. Nahitana koa ireo kitapona simenitra mbola vaovao niampy simenitra efa maty lasa vato. Teo koa ny fitaovana fanotoana ireny ka lasa vovoka indray ary atao anaty kitapo dia zairina ka toy ireny kitapona simenitra vaovao ireny ihany. Afangaro simenitra vaovao sy mbola tsara ireo efa simba ka sarotra ho an’ny mpanjifa ny mamantatra azy. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa ity zandary ity no atidoha mikotrika izany rehetra izany. Nisy ny fanelanelanana sy ny tsindry nataon’ny fianakavian’ilay zandary tamin’ny mpitsara, saingy nandamoka izany. “Miady mafy amin’ny kolikoly isika ka tsy azo hamiravirana sora-bola ary tsy mandray tsindry koa izahay fa manara­tsy endrika ny fitsarana izany”, hoy ny mpitsara iray.

Sajo/J.C

Partager sur: