Hatairana ny an’ny ray aman-dreniny raha nahita an-janany lahy 13 taona hita faty nihantona teo amin’ny fandriana, afakomaly, tao amin’ny fokontany Mangarano, Plle 11/46. Mpianatry ny CEG Mangarano ity niharam-boina ity ka tokony hiatrika ny fanadinana BEPC, anio, izy kanjo izao namoy ny ainy tampoka izao. Hita faty nihantona tamin’ny servieta tao amin’ny efitrano fandrian’ny ray aman-dreniny izy. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatramin’ izao izay tompon’antoka tamin’ izao vonoan’olona izao. Nilaza ny ray aman-drenin’ity ankizilahy niharam-boina ity fa hametraka fitoriana eny amin’ny polisy izy ireo aorian’ny fandevenana. Efa tonga nanao fanadihadiana savaranonando ny polisy. Nohamafisin’ny ray aman-dreniny hatrany fa tsy azon’ny saina heverina hoe hamono tena ity zanak’izy mivady ity satria hiatrika fanadinam-panjakana BEPC. Manahy izy ireo fa mety nisy olona tafiditra tao an-trano ka namono azy. Ahina ho asan-jiolahy tsotr’izao ity raharaha ity, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Mety ho tohin’ilay raharaha fanafihan-jiolahy namono zazakely sy/na ankizikely ihany koa anefa izao mba hahafahan’ny ray aman-dreny manome ny zavatra tadiavin’ireo olon-dratsy. Ny famotoran’ny polisy ihany anefa no hahafantarana ny marina rehetra momba izany.
Sajo/J.C