SOMBIM-BAOVAO

Alefa any amin’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), amin’ny alatsinainy ho avy izao, ny anaran’ireo ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika. Ho fantatra rahampitso izay ho tompondaka.

Ho tontosaina, anio sabotsy sy rahampitso alahady, eny amin’ny kianja PAC Ampitatafika ny “Tournoi de la solidarité”. Fifaninanana karakarain’ny federasiona malagasy (FSBM). Tanjon’ny fihaonana ny fanomanana ny mpilalao hiatrehana ny lalaon’ny Nosy.

Atleta 25 avy amina ligy 5 (Analamanga, Atsimo Andrefana, Boeny, Menabe, Atsinanana) no hifantenana ireo handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, eo amin’ny sokajy “Paralympique”. Ankoatra ny lomano – Paranatation, anisan’ny taranja handraisana anjara koa ny hazakazaka ho an’ny olona manana fahasembanana.

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «XXL Top 20». Ho fantatra eo ireo tafita hiatrika ny manasa-dalana.

Partager sur: