Nisy nitifitra tampoka tao anaty haizina ny raim-pianakaviana sy ny zana-badiny. Niara-namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly, noho ny ratra mafy nahazo azy izy mianaka.
Niara-maty teny amin’ny hopitaly ireto mpianaka, voatifitry ny olon-dratsy, ny alakamisy alina lasa teo. Tara-jiro, fanaon’ny olon-dratsy any amin’ny tany be malaso, no nitarika ny fahavoazana. Tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, nivoaka ny tranony ao Soanierana, fokontany Iarintsena, distrikan’Ambalavao, Fianarantsoa izy mianaka. Tsy fantatra mazava izay niseho fa nandritra ny nitsilovany ny manodidina no nirefotra ny basy.
Nisy nitifitra tampoka izy ireo. Samy naratra mafy na ilay raim-pianakaviana na ilay zazavavy. “Zanaky ny vadin’ ilay lehilahy io lasibatra niaraka taminy io”, araka ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambalavao.
Vantany vao niseho ny loza, nihazakazaka nijery ny zava-misy ny mponina. Nentin’ ireo mpifanolobodirindrina namonjy toeram-pitsaboana tao amin’ny hopitaly Ambalavao izy mianaka. Niezaka niala nenina ny mpitsabo saingy tsy tana ny ain’izy mianaka noho ny ratra mafy sy ny fahaverezan-dra be loatra. Marihina fa mbola lavitra ny renivohitry ny distrika no misy an’Iarintsena, ny andro rahateo alina ka somary taraiky ny vonjy voina.
Nandritra izany, nijery azy mianaka teny amin’ny hopitaly ny zandary izay nampandrenesin’ny fokonolona mialoha. Taorian’ny fanadihadiana savaranonando dia ahiana ho olon-dratsy saika hanafika tao an-tanàna no nitifitra azy. Mateti-pitranga amin’ny kaominina ambanivohitra ny fisian’ ny tara-jiro tahaka izao ka mahafaty olona. “Mitifitra avy hatrany iny hazavana hitany iny ireo olon-dratsy”, hoy ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Nanamafy ny fandriampahalemana ao an-toerana ny zandary. Nandray an-tanana ny fanohizana ny famotorana ny polisim-pirenena ao Ambalavao Tsienimparihy.
Tsiferana R.