Mpangalatra fito lahy tra-tehaky ny zandary tao Ambatolampy, afakomaly. Nampitaraina ny mponina manodidina, mirongatra ny halatra kisoa sy omby. Nanao vela-pandrika ny zandary miasa ao an-toerana. Lehilahy malaza ratsy amin’ny halatra biby fiompy no tra-tehaka teo am-pamonoana kisoa. Nahitana omby koa teo aminy nalahatra ho vonoina.
Olona iray hafa voasaringotra niaraka tamin’ity jiolahy ity. Efa mpamerin-keloka amin’ny asa fangalarana sy fivarotana hena halatra ilay tompon’antoka. Nentina natao famotorana, niaiky heloka izy mirahalahy. Nanonona anaran’olona maromaro voalaza ho mpandray ireo hena halatra ary mivarotra izany izy mirahalahy.
Vokany, tafakatra fito no nosambory ny zandary. Aorian’ny fanadihadiana, hatolotra ny fampanoavana izy fito mirahalahy. Manentana ny loharanom-baovao eny ifotony, ahafahan’izy ireo misambotra ny olon-dratsy, ny zandary ao an-toerana.
Tsiferana R.