Saika isan’andro! Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina mandritra ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Mitaintaina sy mandry andriran’ antsy hatrany ny mponina manoloana izany. Ny talata hariva teo, nirefotra ny poa-basy tao Anjoma, manoloana ny biraon’ny APMF. Voaroban’ny andian-jiolahy nanao taingin-droa nandeha moto ny renim-pianakaviana iray nitondra moto “Cygnus phase 3”. Vokany, lasan’ireo jiolahy ny moto sy ny finday tany aminy. Taorian’ny fandrobana, nitondra ilay moto nitsoaka nihazo ny boulevard Ivondro ny iray tamin’ny olon-dratsy. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatramin’izao ny momba ity andian-jiolahy mpandroba moto ity.
Ankoatra ny asan-jiolahy, mampitondra faisana ny seha-pihariana maro ao Toamasina ny fahatapahan-jiro. Tsiahivina ny fahamaizana tao amina tokantranona mpivady tao Andranomadio Toamasina. Mpiompy akoho fakana nofo no indray kilan’ny afo ka namoy ny ainy rehefa nialana nenina teny amin’ny hopitaly. Noho ny delestazy, voatery tsy maintsy nandrehitra fatapera izy ireo mba hanafanana ireo akoho. Resin-tory izy ireo ka nirehitra ny trano. Kilan’ny afo teo am-pandriana izy mivady niharam-boina.
Ankoatra izay, nahita faisana ny mpianatra, indrindra ny mpiadina BEPC. Tapaka ny jiro nandritra ny fanadinam-panjakana teny amin’ireo ivontoeram-panadinana nandray ny mpiadina.
Sajo/J.C