Handray ny fampirantiana “Biodiversités” indray ny IFM. Hiompana kokoa amin’ny tontolo mananaina ny fampirantiana etsy Analakely, hotonterahin’ny “Musée national d’histoire naturelle ny “Institut de recherche pour le développement”. Manana hatramin’ny 27 jolay ireo liana amin’ny nipoirana sy ny fivoaran’ny zava-mananaina maromaro eto Madagasikara.
Lany ho filohan’ny fikambanan’ny Zanadranavalona Ny Andriana Ravelonarivo Alain Eddie Louis. Araka izany, manohy ny asa efa natombony, mandritra ny 5 taona ho avy. Raha natambatra ny salanisa azo tamin’ny biraom-pifidianana roa, Analakely sy Madirovalo, nahazo ny 79,74 ny kandidà Ravelonarivo Alain Eddie Louis. Nahazo ny 20,26. kosa ny kandida Ramiarinjatovo Jérôme André, izay nifaninana taminy.
Fialan-tsasatra mitera-bokatsoa: fampianaran’ireo ray aman-dreny mahatahiry ireo kilalao iombonana fahiny sy lalaon-tsaina fahizay ary zavakanto malagasy tsy tontan’ny ela. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorona, katro, valiha, ankamantatra, ankifidy, sns. Eny amin’ny foibe Valiha Académie Itaosy no hanatontosana izany.
Natanjaka sy nahazo laka ny tontolon’ny fitiavan’ olon-droa, taloha. Ankehitriny, mirona any amin’ ny tononkalom-pitolomana indray ny mpanoratra. Miankina amin’ny zava-mitranga ao anatin’ny vanim-potoana no mahatonga izany, raha ny fanazavan’ireo mpanoratra zoky sy manana traikefa.