Noraisim-potsiny! Teratany nizerianina, 21 taona, no tratran’ny fokonolona nihanika tambohon’olona iray, teny amin’ny vohitra Ambohitsaratelo, fokontany Ambonimanandriana , kaominina ambanivohitr’i Fiaferana, afakomaly alina tamin’ny 10 ora. Nisy olona nampandre ny zandary mikasika ny tranga. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tsy lasa lavitra ny tanàna. Nofatoran’ny olona avy hatrany izy mandra-pahatongan’ny zandary. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’ity nizerianina nikasa hanao asan-jiolahy ity. Efa nifatotra tanana izy no novantanin’ny zandary.
Nandritra ny fanadihadiana savaranonando azy no nahafantarana fa teratany nizerianina monina eny By-Pass Ambohimangakely izy, saingy nikasa handroba tao amin’ity tokantrano iray ity. Mbola tsy nahazo na inona na inona tamin’ny nahasamboran’ny fokonolona azy. Tsy misy taratasy nahafantarana azy rahateo teny aminy. Tsy miteny afa-tsy teny anglisy koa izy ka anisan’ny mampanano sarotra ny fanadihadiana. Nentina nanaovana andrimaso izy mba ho fiarovana ny ainy amin’ny fitsaram-bahoaka.
Fantatra fa tsy vao izao izy no hita nihaodihaody teny amin’ny manodidina ity trano ity. Ffa nisy nahatsikaritra ny fihetsiny afakomaly. Aorian’ny famotorana ataon’ny zandary, hatolotra ny fampanoavana ity nizerianina ity.
Jean Claude