Asan-jiolahy : mpaka an-keriny maty voatifitra

Fitondrana olona an-keriny ao amin’ny tanànan’Amparafaravola, lavon’ny balan’ny Fip ny jiolahy raindahiny iray,  afakomaly alina.

Nirefodrefotra ny basy. Rotiky ny balan’ny polisy ny tompon’antoka tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Amparafaravola, ny alin’ny talata 11 jolay hifoha 12 jolay teo. Malaza ratsy, fikambanan-jiolahy mihitsy ireto nifampitana tamin’ny mpitandro filaminana ireto. Nilafika tao amin’ny fokon­tanin’Amparamanina ny jiolahy maromaro. Nidina ifotony hisambotra azy ireo ny polisin’ny Fip. Nifanehatra tampoka tao amin’ny fokontanin’i Ma­hakary ny roa tonta. Raikitra ny fifandonana. Nitifitra avy hatrany tamin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana teny aminy ny jiolahy. Niaro tena, namaly tifitra ny polisy. Lavo ny iray tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny 2 ora maraina. Voasambo­tra ny namany ankoatra ity lavo ity, mpiara-manao fanafihana aminy tra-tehaky ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanjevoana. Tafaporitsaka ny iray hafa. Zanak’ilay lehibena jiolahy mpaka an-keriny voatifitra tao Amparafaravola ihany ity voasambotra ity. Efa nokarohina hatry ny ela noho ny asa fampihorohoroana tao an-toerana. Notanana hatao fanadihadiana eo anivon’ny kaomisarian’ny polisy ity azo sambo-belona ity. Hatolotra fitsarana ny raharaha aorian’izay.
Namaly zandary
Ankoatr’io, jiolahy mpanakan-dalana iray maty voatifitry ny zandary tao amin’ny PK 129, anatin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, ny alatsinainy 10 jolay teo. Nikasa hanakan-da­lana ireo taksibrosy mampiasa iny lalana iny ireto olon-dratsy ireto. Raikitra ny fifandonana tamin’ny zandary nanao fisafoana. Vokany, lavo ny jiolahy iray. Tafaporitsaka ny namany. Mitohy ny fanarahan-dia.

Tsiferana R.

Partager sur: