VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka ny talata teo ka haharitra telo andro ny atrikasa hanamafisana ny paikady sy ny fanamby ho amin’ny fampaharetana ny fampiroboroboana ny vondron’olona mpanjono. Atao any Ambovombe, faritra Androy ity atrikasa ity. Nampahatsiahivina omaly ny lalàna mifehy ny vondrona misy an’ireo mpanjono sy ny asam-baomiera samihafa.

Nahazo ny amboara “African finance Minister of the year »ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Natolotra azy ny talata teo ny amboara mahakasika izany. Nikarakara ny fifaninanana ny African Leader­ship Magazine. Mampiavaka azy ny fitiavany fianarana raha tsy hitanisa afa-tsy ireo karazana fiofa­nana momba ny “Leadership” izay nataony.

Harenina ny lalana ao an-tampon-tanana Mora­manga. Manampy izany koa ny eo anelanelan’An­tsam­panana hatrany Brickaville. Ao anatin’izany koa ny eo Moramanga hatrany Andasibe. Laharam-pahamehana hanarenana ny lalam- pirenena faharoa (RN 2) daholo ireo.

Miisa 4 ny fiantsonana amin’ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe. Miainga eo Soarano hatrany Amoronakona. Efa tonga any Toamasina ireo lamasinina hiantoka an’izany zotra izany.

Partager sur: