TARATRY ny KANTO

Hahazo fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana, eo ambany fitantanan’ny MSK. Nan­katoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanome­zana tetibola fanampiny hividianana fitaovana, ho an’ireo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any Taola­gnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambo­vombe. Eo koa ny ANAC sy ny Havoria, samy etsy Anosy.

Hotontosaina ny sabotsy izao ny “Festival culturel de solidarité”. Hetsika karakarain’ny fikamba­nana Tsimoka izay haka endrika fampisehoana, hatao ao amin’ny Espace Tournesol Andoharano­fotsy, ny 15 jolay, manomboka amin’ny 12 ora tolakandro. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany i Vanintsoa, ny tarika Glita Miray, Herinjatovo ary Haja Ratsimba.

Manomboka mirona any amin’ny asa fikarohana momba ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ny tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Fihetsika na finiavana mety nateraky ny hafanam-po, kanefa, azo raisina ho fahatsiarovan-tena fa Mala­gasy ihany koa. Mila mitandrina tsara anefa izy ireo satria miha mahery vaika ny hosoka sy ny sadasada.

Tontosaina ny 15 jolay 2023, eny amin’ny IFM Analakely, ny “Kpop World Festival the final in Madagascar”. Ny masoivohon’ny Korea eto Mada­gasikara no mikarakara ny hetsika. Fifaninanana dihy koreanina no atao mandritra izany. Ny dihy koreanina izay efa mahazo laka tanteraka eto Madagasikara.

Partager sur: