Nampahafantatra ny SMGD, miandraikitra ny fitantanana ny toeram-piantsonana eto Antananarivo Renivohitra, fa mihato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fandoavana sandan-toerana amin’ny alalan’ny finday. Ireo tapakila alaina eny amin’ny “horodateur” ihany no manan-kery. Misy ny fanamboarana ka izay no anton’ny fandaminana.
Manatanteraka fiofanana amin’ny fikirakirana sy fikajiana ary fitantanana ny arsiva ny sampandraharahan’ny arsivam-pirenena. Misokatra ho an’ny rehetra izany ny 17 ka hatramin’ny 21 jolay izao, etsy Tsaralalàna. Na ireo mpianatra na ireo mpiasam-panjakana dia mila mahay sy mahafehy ny fitantanana ny taratasim-panjakana avokoa.
Notanterahina teny amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika didim-poitra faobe nokarakarain’ny fikambanana Hasin’ny Fifankatiavana, tarihin’ny filohany Ramavoharianjarasoa Hasinirina. Tanjona ny hanampy ireo ray aman-dreny, hanalefahana ny fahasahiranana ka hahavita ny forazaza.
Tamin-dranomaso no nitarainan’ireo mpivarotra sakafo masaka eto Antananarivo sy ny manodidina, omaly, nanoloana ny fikatsoan’ny asa fivelomana vokatry ny tsy fisian’ny rano sy ny fahatapahan’ny jiro lavareny.Voatery nampatsaka alavitra ary nividy rano lafo dia lafo, izy ireo, vao afaka nampihodina ny tsena. Niditra fatiantoka vokatr’izany.