SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina atsy Abidjan Côte d’Ivoire, ny 8 hatramin’ny 12 aogositra izao, ny fiadiana ny « IHF Trophy kaontinantaly », sokajy cadettes sy Juniors, taranja Handball. Anisan’ny nahazo ny tapakila, ny Akion’i Madagasikara, solontenan’ny faritra faha-6. Mafy ny miandry ny ekipam-pirenena, tsy mitovy amin’ny fifanintsanana tany amin’ny faritra faha-6 intsony ny zavatra hitranga.

Hatao any Chine, ny 22 sy 23 jolay izao ny fifaninanana “Fiba 3×3 Wuxi Challenger”, taranja basikety. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara. Mpilalao 4 mirahalahy, Elly, Fiary, Arnol ary Livio, no hiatrika ity fifaninanana ity. Araka ny fantatra, ekipa 12 sangany no mandray anjara, anisan’izany, ohatra, i Serbie, Pologne, Allemagne,…

Anio 13 sy rahampitso 14 ary ny sabotsy 15 jolay izao, ny fifaninanana fitsapana farany, hifantenana izay ho ekipa nasionaly amin’ny lalaon’ny Nosy, taranja lomano. Any Toamasina no hanatanterahina izany ka izay mpilomano mendrika isaky ny sokajy no ho voaantso ho ao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy.

Hatao rahampitso 14 jolay, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriana ara-teknika ny fiadiana ny tompondakan’i Mada­gasikara, taranja basikety, ho an’ny sokajy U14 lahy sy vavy. Tsiahivina fa ny 15 hatramin’ny 23 jolay no hanaovana ity fifaninanana ity, eny amin’ny kianjan’Ankatso. Ekipa vehivavy 10 sy ekipa lehilahy 16 no hifaninanana.

Partager sur: