Ankizy avokoa ny efatra tamin’ireo olona dimy maty, nandritra ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antsaribao, 7 km tsy hidirana anatin’ny kaominina Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe, omaly. Niala tao Morombe, nitondra entana sy mpandeha hihazo an’i Toliara io karandalana io. “Avo be ny lalana ka nivadika avy hatrany ny fiara vantany vao mivoaka arabe”, hoy ny fanazavan’ny zandary, ao amin’ny zana-tobim-paritra Befandriana Atsimo. Tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, nivoaka ny arabe tampoka teo amin’ny PK 167, anatin’ny RN9, io fiara mpitatitra io. Potsitra ny sasany tamin’ireo mpandeha. Vokany, zazalahy herintaona sy tapany namoy ny ainy. “Maty teo noho eo ny telo tamin’ireo mpandeha”, hoy ny fanamafisan’ny zandary. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ao Befandriana Atsimo ireo naratra. Tsy tana ny ain’ny zazavavy roa tamin’izy ireo. Tafakatra dimy, arak’izany, ireo maty. Zaza tsy ampy taona ny efatra ary vehivavy 24 taona ny iray. Fito kosa ireo manaraka fitsaboana.
Tsiferana R.