Voasambotra afakomaly, teny Ampitatafika, ny mpiasa an-trano iray izay nivadi-pitokisana. Nangalatra vola 14 tapitrisa Ariary tao an-tranon’ny mpampiasa azy izy.
Tra-tehaky ny polisy tetsy Ampitatafika, afakomaly, ny vehivavy iray nivadi-pitokisana tamin’ny mpampiasa azy. Nangalatra vola 14 tapitrisa Ariary izy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nentim-pahatokisana ny tompon-trano ka namela azy irery tao an-trano. Voalaza fa tsy nahitana soritra maha olon-dratsy azy ilay vehivavy. Nanita-tsaina sy nikarokaroka ny tao an-trano izy, nandritra ny tsy naha tao an-trano ny mpampiasa azy. Hitany ny fitoeram-bola, nosavasavainy, araka ny fampitam-baovaon’ny polisy hatrany. Nangalariny avokoa ny vola, izay nitentina 14 tapitrisa Ar.
Hatairana ny an’ny mpampiasa rehefa tafaverina an-trano. Nojerena ny fitoeram-bola, tsy nisy na inona na inona intsony. Ilay mpanampy, nanao mpamosavy malemy, efa nanjavona koa. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisy ny lasibatra. Natao ny fikarohana sy ny angom-baovao rehetra. Vokany, hita fa efa nifindra teny Ampitatafika ilay mpanampy. Ny antsasaky ny vola sisa hita teny aminy.
Raha ny zava-nisy, efa nolaniany ny 7 tapitrisa Ariary. Mbola hita tao aminy rahateo ny kojakojan-tokantrano vaovao toy ny kidoro, koveta, vilany hatramin’ny sotro sy ny “Rice cooker”. Mandeha ny famotorana lalina. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy.
Ody gasy
Ankoatra ity vehivavy ity. Lehilahy iray hafa koa no voasambotry ny zandary teto an-drenivohitra, afakomaly. Niasa tany Mahajanga, nanao mpiambin-tanàna izy. Nandroba ny mpampiasa azy, ny 8 jolay lasa teo. Efa jiolahy raindahiny izy. Nitsoaka taty Antananarivo, nihevitra ny tsy hisy mpahita. Sarona teny aminy ny ody maro fampiasany sy ny karapanondro roa sandoka.
Tsiferana R.