Naratra mafy, nentina namonjy hopitaly ny mpamily ny fiara tra-doza teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly maraina. Nivadibadika ny fiara ka nipitika teny ivelany ny mpamily, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Tsy nisy olona ankoatr’azy tao anatin’io fiara io. Tsy fantatra mazava ny antony niteraka ny loza.
Nosamborin’ny polisin’ny «compagnie urbaine de la circulation», teny Ankorahotra, omaly, ireo jiolahy roa malaza ratsy amin’ny halatra finday. Mpandeha an-tongotra iray no niharan’ny fanendahan’ireto jiolahy ireto. Nosintonin’izy ireo ny finday teny an-tanany. Nifanehatra tamin’ny polisy anefa izy ireo ka tsy lasa lavitra. Efa naverina tamin’ny tompony ilay finday.
Jiolahy roa indray tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) teny Anjanahary, omaly. Tsy henon’ny tompon-trano raha tsy efa vaky ny tranony. Teny an-dalana anefa, nifanehatra tamin’ny polisy izy roa lahy ka noraisim-potsiny. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny entana avy nangalarina toy ny vilany, lovia maromaro ary fatana.
Teo am-pamakiana tranon’olona iray, ao Mangarivotra Toamasina, ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny zandary, afakomaly. Maro ny fitarainana voarain’ny zandary momba ny asa ratsin’izy roa lahy. Nisy ny paikady manokana ka nahafahana nisambotra azy ireo. Efa natolotra ny borigadin’ny Toamasina ville izy ireo.