FANTINA sy FINTINA

Hanao fitsidihana ifotony any amin’ny Nosy Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny filohan’ny Re­poblika, ma­nomboka anio ka hatramin’ny rahampitso. Nambaran’ny fampitam-baovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa hitokana fotodrafitrasa maro ny tenany. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany, mampalaza ity Nosy ity, izany.
Hitafa amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny alahady ho avy izao amin’ny 8 ora alina. Nambarany tamin’ny tambajotra sosialy fa hamaly ny fanontanian’ireo mpanao gazety miisa telo manoloana ny fiainam-pirenena ny tenany amin’izany. Harahina amin’ny TVM/RNM izany fandaharana manokana izany.
Nambaran’ny mpitondra tenin’ny Ceni, Andria­maro­tafika Soava, omaly, teny Alarobia fa efa eo am-pitadiavana ireo tranoprinty eto an-toerana sy any ivelany izy ireo. “Hojerena sy hampitoviana ny mety ho saran’ny fanontana ny biletà tokana hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena”, hoy izy. Anisan’izany ny vidiny sy ny kalitao ary koa ny loko ampiasaina.
Nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany, Ramaholimasy Pierre Houlder, omaly, tetsy Andava­mam­ba, fa adihevitra diso ny resabe momba ny fizakana zom-pirenena roa. “Aleo ny tena olana no jerena ka ny famahana azy no tena imasoana. Tsy manala ny maha Mala­ga­sy ny fizakana zom-pirenena hafa. Iza no handà raha homena izany ? Samy mitady tombony sy mila tombony ny tsirairay. Tsy hamafa velively ny maha Mala­gasy izany”, hoy izy.

Partager sur: