Mirongatra indray ny halatra moto ao Toamasina. Raim-pianakaviana iray naratra mafy voatifitra teny ambony moto. Tsy afa-nanoatra intsony izy ka nanome mora foana ny fananany…
Fahasahiana tsotra izao ny an’ireo jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Ny talata 11 jolay 2023 lasa teo, jiolahy roa indray lavon’ny balan’ny polisin’ny Fip tao an-toerana.
Tsy nahasakana ny hafa anefa izany, vao mainka aza nampihetsika indray ireo namany. Vokany, ny alarobia 12 jolay 2023, fanafihana roa no nitranga tamina toerana roa samy hafa tao anatin’ny ora mitovitovy tao Toamasina. Nandratrana olona iray sy nahaverezana moto roa ary poketra, vola, finday ireo fanafihana ireo. Voalohany, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 mn tao Tanambao V, ambadiky ny Ekar Sacre Cœur, raim-pianakaviana iray nitondra moto no niharan’ny fanafihana. Voaambana basy izy saingy niezaka nanohitra ihany satria mbola maro rahateo ny olona nifamezivezy teny amin’ny manodidina. Tsy nahasakana ireo jiolahy hanao ny asa ratsiny anefa izany fa nitifitra avy hatrany izy ireo. Voan’ny bala teo amin’ny sandriny ity raim-pianakaviana ity. Tsy afa-nanoatra intsony ilay niharam-boina ka nidina moramora teo ambony moto ary nanome izany ireo olon-dratsy. Nifanindran-dalana tamin’io ihany, tao amin’ny fokontany Tsarakofafa, moto iray koa voaroban’ny jiolahy.
Sajo/J.C