Notanterahina omaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa Jocker Marketing. Mikasika ny fanavaozana sy fananganana Abribus vaovao eto Antananarivo Renivohitra, izay ahitana toerana 50 no fototry ny fifanarahana. 41 amin’izy ireo no hasiana fanavaozana fa ny sivy ambiny kosa hijerena toerana hananganana Abribus vaovao. Tanjon’ny tetikasa fametrahana Abribus ny tsy hanakana ny fifamoivoizana, ny fanamboarana ny filaharana bus ary ny fametrahana toerana voatokana ho an’ny olona bevohoka, ny antitra ary ny olona sembana. Ankoatra izay, hisy koa ny toerana hametrahana dokam-barotra samihafa sy faritra ho an’ny kaominina hampitany ireo hafatra fanabeazana ho an’ny mponina eto Antananarivo.