Maty tsy tra-drano! nianjeran’ny entana tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy ny zazalahy iray, omaly. Voalaza fa tandrevaky ny mpampidina entana izany.Roa lahy ifampitadiavana.
Nezahin’ireo nanatri-maso nentina namonjy toeram-pitsaboana, tsy tana ny ain’ny zazalahy efa-taona, tao Ankazondrano Fianarantsoa, omaly maraina. “Nampidina entana toy ny mahazatra ireo vatan-dehilahy mpanao izany. Nianjera ny “balle friperie” iray ka nifatratra teo amin’io zaza io”, hoy ny fanazavan’ny kaomiseran’ny Polisy Centrale ao Fianarantsoa. Nikoropaka vokatr’izany ireo mpandeha sy mpiasa teo amin’ny manodidina ny fiantsonan’io taksibrosy io. Nentina nihazo ny hopitaly Tambohobe ilay zaza rehefa tsy nahatsiaro tena intsony. Voadona mafy teo amin’ny lohany ity farany. Nitarika azy tamin’ny famoizan’aina izany. Avy any Ambalavao ity zazalahy ity sy ny rainy ka nikasa hihazo an’i Nosy Varika. Tra-doza tampoka izy mianaka ka izao niafara tamin’ny fahafatesan’ilay zaza izao.
Manoloana io tranga io, tandrevaka teo amin’ireo mpampidina entana roa lahy no nitarika ny loza. “Karohina ireo roa lahy nampidina ny entana ireo amin’izao fotoana”, hoy ny fanamafisan’ny lehiben’ny polisy, kaomisaria Centrale ao an-toerana. Nandositra taorian’ny nitrangan’ny loza ireo mpampidina entana ireo. Efa ampelatanan’ny fianakaviany kosa ilay zazalahy kely namoy ny ainy.
Tsiferana R.