Tselatra

Tratran’ny polisy teny Ambodinisotry, afakomaly tolakandro, ny jiolahy efatra tratra teo am-panendahana olona. Renim-pianakaviana iray avy nijery fitaovam-pianaran’ny mpianatra teny Isotry no narahan’ireto jiolahy ireto. Efa narahan’ny polisy anefa izy ireo ka noraisim-potsiny.

 

Jiolahy iray nitondra antsy lavalela no nifanehatra tamin’ny polisy teny Ankasina, afakomaly. Tovolahy enina izy ireo no nisy nahatsikaritra teo akaikina toeram-pisotroana iray. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka niantso polisy ny manodidina. Tonga ny polisy nisambotra azy  ka voamarina fa jiolahy ny iray niaraka tamin’ny antsibe. Nalefa nody kosa ireo namany.

 

Zandary iray kilasy faharoa no maty voatifitry ny dahalo, omaly maraina, tao Beraketa. Voa teo amin’ny tratrany izy. Zandary iray hafa naratra saingy avotra soa aman-tsara rehefa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nanao fanarahan-dia omby halatra izy ireo no nifanehatra tamin’ireo malaso.

 

Raim-pianakaviana iray hita faty nihantona tao an-tranony ao Foulpointe, afakomaly. Nisedra olana ara-pitiavana izy ka izao nisafidy nananton-tena izao. Mpivaro-kena ny asan’ity raim-pianakaviana ity.

 

 

Partager sur: