Hifarana, anio, ny fifaninanana karakarain’ny Transparency International-IM, anehoan’ireo manan-talenta amin’ny fanoratana sy fandresena lahatra. Lohahevitra : “Taratasy ho an’ny filoham-pirenena ho voafidy…”. Fangatahana mba handroso sy ho lavitry ny kolikoly ny firenena ny fifaninanana.
Natao tany Toamasina, afakomaly, ny filankevitry ny governemanta, mitety faritra. Nisongadina tamin’izany ny fampitaovana “Scanner” ho an’ny hopitaly, ny hanamboarana ny lalana eo an-tampon-tanànan’i Toamasina sy ny lalam-pirenena RN11A, Vatomandry – Mahanoro sy ny RNT23, Mahanoro – Marolambo ary koa ny RNT20, Ilaka Est-Antanambao Manampotsy.
Hatao any Antsirabe, ny 23-25 aogositra ho avy izao, ny fihaonan’ny ben’ny Tanàna an-drenivohitra 16 eto Madagasikara, andininy fahefatra. Ny fanatanterahana ny drafi-pirenena ho amin’ny fitsinjaram-pahefana miabo ny lahadinika amin’izany.
Fanamafisana traikefa sy fanatsarana ny fomba fiasa ary ny asa omena ny vahoaka, araka ny lalàna sy ny fampandrosoana eto Madagasikara, ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna sy ireo lehiben’ny boriborintany, faritra Sofia. Naharitra roa andro, nifarana omaly, niarahana amin’ny minisiteran’ny Atitany,
amin’ny alalan’ny ”Institut nasional de décentralisation et de dévelopement local” (INDDL).