Nafindra toerana any Séoul ireo mpilasy anatin’ny “Jamboree skoto” maneran-tany, andiany faha-25, tanterahina any Saemangeum noho ny ahiahy fa handalo ao ilay rivodoza afaka andro vitsy. Ny fikambanana skoto koreanina no mikarakara ny hetsika. Manana tanora solontena i Madagasikara.
Tonga ao amin’ny fari-piadiadiam-pampianarana Amboasary Atsimo ny fiara lehibe mitondra ny fitaovam-pianarana, ahitana kahie, penina, fitsipika… avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho an’ny mpianatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa.
Notanterahina tany amin’ny distrikan’i Sakaraha, ny herinandro lasa teo, ny fandoavana ny tambinkarama 10 andro faharoa ho an’ireo tokantrano 900 nisitraka ny asa tanamaro «Asa sandaina vola – Asa vonjy voina» taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. 60 000 Ar isan- tokantrano no noraisin’izy ireo ary ny FID no mpanatanteraka.
1 004 ny isan’ny ivontoerana fanarenana sy fandraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika tonga tampoka tsy misy fahasarotana manerana ny Nosy. Valo kosa ny ivontoerana fikarakarana ny ankizy voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika misy fahasarotana, hoy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka .