Sombim-baovao

Baolina kitra. Tsy afaka ny hiatrika ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika manomboka ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao Rakotoa­risoa Baggio, Malagasy mpilalao baolina kitra, noho ny ratra mahazo azy. Tsy anisan’ireo mpilalao hifanandrina amin’i Angola ihany koa ny tenany.
Mondial vehivavy. Notanterahina, omaly, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. No­montsanin’i Frantsa, tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 i Maroc. Ny ekipan’i Australie mpampiatrano no hifanandrina amin’izy ireo eo amin’ny ampahefa-dalana.
Lalaon’ny Nosy. Tonga nitsidika nanolotra tohanaina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar ny minisitra mpiahy azy ireo, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, sy ny Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (Seg). Hetsika natao omaly, teny Mahamasina.
Basikety. Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay, vehivavy U-25. Marihina fa avy niatrika ny fifanintsanan’ny lalaon’ny Frankôfônia natao tany Kin­shasa, RD Congo, izy ireo. Tsiahivina fa tsy nitsanga-menatra ny vehivavy malagasy satria nitondra medaly alimo nody tamin’izany lalao izany.

Partager sur: