Vaovao tambatra

Tsy fahatomombanana amin’ny tambazotra no nahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly, teto amin’ny faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra. Ani­san’izany ny tany Ambohidrapeto, Itaosy, Andranona­hotra, Analamahitsy, Amboditsiry, Manjakaray, Anja­na­hary, sns. Tsy tokony hisy intsony ny delestazy.

Manodidina ny 3 tapitrisa ny isan’ny orinasa na olona mivelona ao anatin’ny tsy ara-dalàna eto Ma­dagasikara. Manodidina ny 148 miliara Ar ny trosa tokony haloan’izy ireo, saingy tsy miditra any amin’ny kitapombolam-panjakana. Anisan’ny tena maro anisa amin’izany ny mpivarotra amoron-dalana.

Misanda 4 818 Ar ny 1 euro, omaly ary 4 447 Ar kosa ny 1 dolara, teo amin’ny tsenam-bola. Mi­hoatra ny 5 000 Ar kosa anefa ny sandan’ny 1 euro eny amin’ny fifanakalozam-bola ho an’ny mpanjifa tsotra ary latsaka kely an’izany ny 1 dolara.

Natao tany Ambatondrazaka ny atrikasa hampidirana ny karazana zava-mananaina amin’ny sehatry ny fambolena, ny tapaky ny volana jolay teo. Ny anjara toerany eo amin’ny famokarana toy ny fandaminana ny rohivoahary, ohatra. Nandray anjara ta­min’izany ny avy any Ambatondrazaka, Amparafa­ravola, Andila­me­na, Anosibe An’ala. Teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny fotoana.

Partager sur: