Dimy lahy nosamborina : ady tany nivadika famonoana olona

Disadisa nateraky ny ady lova hatry ny ela, namoy ny ainy novonoin’ny fianakaviana akaiky azy ny lehilahy iray. Hitan’ny zanaky ny maty anefa ireo nahavanon-doza.

Dimy lahy, izay fianakaviana iray ihany, indray nanafika tokantrano iray tao Andranomamavo, fo­kontany Marofarihy, kaominina Mahavelo, distrikan’i Fara­fan­gana, ny alin’ny alahady 13 aogositra teo. Nanao an-keriny niditra ary nitady ny raim-pianakaviana tao amin’io tra­no io ireo olon-dratsy, tamin’ny 8 ora alina. Tsy nifanara-kevitra tamin’izy dimy lahy, novonoiny avy hatrany ilay tompon-trano. Nitsoaka nandositra ireo nahavanon-doza taorian’ny habibiana. Tsika­ritry ny zanak’ilay namoy ny ainy anefa ny endrik’ireo nahafaty an-drainy. Tonga nanao ny famotorana ny mpitandro filaminana notarihin’ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandary ao an-toerana. No­tononin’ny zanaky ny lasibatra avokoa ny anaran’ireo olona dimy.

Vokany, nosamborina avokoa ireo voarohirohy tamin’ity vono olona ity. Atolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana.
Ady lova indray…
Nahazo vahana indray ny ady lova miafara amin’ny fifamonoana toy izao tato ho ato. Vao ny 19 jolay lasa teo no nisy vehivavy iray noratrain’ny anadahiny tany Toamasina. Ady tanimbary no nahatonga ny olana ka niafara tamin’ny famonoana. Naratra mafy ity renim-pianakaviana ity ka nentina notsaboina haingana tao amin’ny Hopitalibe Toamasi­na. Noho ny fahasarotana, nentina niakatra taty an-drenivohitra, ao amin’ny hopitaly miaramila izy. Efa mihatsara ny fahasalamany, araka ny angom-baovao natao. Mbola anatin’ny fitsaboana tanteraka ilay niharam-boina rahateo ny fianakaviana.

Tsiferana R.

Partager sur: