Namaky varavaram-pasana : jiolahy iray maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny fokontany Fiadanankely, kaominina ambanivohitr’i Mahitsy, omaly maraina, ny iray amin’ireo jiolahy nikasa hamaky fasana. Telo lahy izy ireo no niaraka. Tratra teo am-pisokirana fasan’olona. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana izy ireo tamin’io fotoana io. Nandositra avy hatrany izy telo lahy raha vao nahita ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifanenjehana ka voatery nitifitra ny zandary. Lavon’ny bala ny iray raha tafaporitsaka ireo namany. Nahitana basy vita tanana iray sy bala calibre 12 dimy teny aminy nandritra ny fisavana natao.

Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana ihany koa ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Pasitera. Nanafika tao Andranobevava, kaominina Antanimbary, distrikan’i Maevatanana, afakomaly alina, izy sy ny namany. Voaroba tamin’izany ny vola 6 hetsy Ar sy vovo-bolamena tao amina tokantrano voatafika. Nanao ny fanarahan-dia ny zandary omaly, ka nifanehatra tamin’ireo dahalo. Vokany, maty voatifitra i Pasitera. Efa intelo nigadra izy ary vao nivoaka ny fonja. Maro ny fanafihana efa vitany tao Maevatanana sy ny manodidina.

J.C

Partager sur: