Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray nanao taingin-droa tamin’ny bisikileta tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, kaominina Ambatondrazaka, omaly maraina. Kamiao lehibe iray no nifatratra tamin’ ny bisikileta nitondra azy. Tamin’ny 6 ora maraina, tsy nanampo na inona na inona ireo olona roa. Nanaraka azy ireo avy ao aoriana ilay kamiao. Tampoka, nifatratra avy hatrany tamin’ny bisikileta ny fiara. Voadona mafy, nidaraboka avy hatrany ilay renim-pianakaviana nitaingina taorian’ny bisikileta. Nipitika ilay nitondra.
Nandriaka ny ra. Maty tsy tra-drano ilay ramatoa tra-doza. Tsy nisy nahina kosa ny fahasalaman’ilay nitondra ny bisikileta. Nijanona ilay kamiao. Nandray an-tanana ny fanadihadiana ny polisy ao an-toerana. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Nentina eny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny mpamily ny fiara. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny loza raha ny tatitry ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Marihina, matetika mitera-doza tato ho ato ny tsy fitandreman’ny mpamily sy ny tsy fanaraha-maso ara-dalàna ny fiara.
Tsiferana R.