Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy ny Fikambanambe iraisam-pirenena miahy ny kilonga na Unicef, teny Andohalo, omaly. Hetsika natao ho fampitan- kafatra hiadivana ny fitovian-jo sy ny fialana amin’ny fanavakavahana misy amin’ireo ankizy eto Madagasikara. Araka ny fanadihadiana nataon’ny MICS, ny taona 2018, ny efatra isan-jaton’ny ankizy misy kilema eto amin’ny Nosy ihany no mianatra ary tsy misitraka fitsaboana ara-dalana. Firenena 196 ny mankalaza ny zon’ny ankizy, anisan’izany isika.
Nanao fanentanana teny an-toerana i Mirado, mpanakanto sady masoivohon’ny Unicef ary manampy azy kosa i Lova Renée. Marihina fa faritra telo eto amin’ny Nosy ny nanaovana ny fanentanana, toy ny Antananarivo, Fenoarivo Atsinanana, ary Ambovombe. Miara-miasa amin’ny fikambanana telo ny Unicef, isan’izany ny Akama, ny tale nasionalin’ny fiarahamonin’ny ankizy, ny lehiben’ny sekoly tsy miankina eto amin’ny Nosy. Nosafidiana manokana natao, ohatra, tamin’ity taona ity ny“Rova Manjakamiadana” ho fanamarihana ny ”Going Blue”.
Tsiahivina fa nanao fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona 7 izy ireo mba hampifandraisana ny ankizy ary hankalazana ny lalao maneran-tany ny amin’ny baolina kitra na “Mondial 2022”. Fikambanana 11 ny nandray anjara tamin’izany, isan’izany ny Akama.
Fitia (Mpianatra Asa)