Mpanara-dia iray tamin’ny fokonolona no lavon’ny balan’ny dahalo tao amin’ny kizo Andasiniletsaka, fokontany Mazamiempo, koaminina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Nitrangana halatra omby tao Ampoaramaso, fokontany Zatobe, kaominina Marotampona, ny alin’ny alahady 03 hifoha omaly 4 septambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Dahalo am-polony nitam-piadiana nandroba. Nanara-dia ireo olon-dratsy avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Nifanehatra tao amin’ ny kizo Andasiniletsaka ny mpanara-dia sy ny dahalo. Raikitra ny fifampitifirana. Vokany, lavon’ny balan’ireo dahalo ny solontena iray avy amin’ny fokonolona. Ankoatr’io, naratra mafy voan’ny bala koa ny miaramila iray anisan’ireo nanara-dia, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nentina avy hatrany namonjy ny CSBII Bemahatazana, noho ny fahavoazany tsy lavitry ny faritry ny handriny izy. Nanamafy ny ekipa manao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Tsiferana R.