Jiolahy telo indray maty voatifitry ny miaramila tao Ankazoabo, afakomaly. Nanafika tao Ampandrabe ireto malaso ireto no nifanehatra tamin’ny miaramila mpampandry tany.
Tratran’ny polisy ao Alasora, afakomaly, ireo jiolahy mpangalatra jiro an-dalambe. Teo am-pakana jiro tao amin’ny fokontany Mahitsy ry zalahy no hitan’ny fokonolona sy ny polisy.
Vehivavy roa no saika naolan’ny jiolahy tao ambadiky ny fanariam-pako iray eo Anosy, ny alahady hariva teo. Avy nijery ny famaranana ny lalaon’ny Nosy teny Mahamasina izy ireo.
Renim-pianakaviana iray, handeha haka entana vao maraina eny Anosibe, no naratra nendahin’ny jiolahy teo Anosy, omaly maraina. Lasa ny vola saika hakana entana.