Fantina sy fintina

Tafakatra 14 ireo kandidà nahavita nanatitra ny dosieny teny amin’ny HCC, hatramin’ny omaly tolakandro.  Miisa efatra ireo mpirotsaka hofidina tonga teny Ambohidahy, omaly, ka anisan’izany Andrianainarivelo Hajo (MMM); Raderanirina Sendrarison Daniela (Fy-M); Razafinjoelina Tahina (FTT) ary i Lachapelle Hery Tiana Guy (Natiora).

Mbola voafidy ho filohan’ny holafitry ny mpisolovava ny Me Raondry Alain, tamin’ny fivoriamben’ny holafitra, ny faran’ny herinandro teo. 465 tamin’ny 619 vato manankery no azony. Nifaninana taminy ny Me Ravelonarivo Alain Eddie Louis, izay nahazo vato 154 na. Voafidy koa ireo mpanolotsaina dimy tompon-toerana sy mpanolotsaina iray mpisolo toerana.

Naneho fahavononana ho kandidà filoham-pirenena, Ranaivojaona Sylvia. Nambarany omaly fa  vonona hanangana firenena vanona ny tenany, miaraka amin’ny Perfect Madagascar tarihiny. “Miaraka amin’ny fanahy Masina isika ka tsy hanaotao foana. Manana vina efa nomanina efa 30 taona lasa isika...”, hoy izy.

Miandry ny kongresin’ny antokony ny depiote Randrianasolo Nicolas vao haneho hevitra manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany, omaly,  fa hatao ny 16 septambra izao any Betroka ny fihaonambe eo anovin’ny GJMP ka andraisana fanapahan-kevitra amin’ny kandidà filoham-pirenena ho tohanana.

Partager sur: