Taratry ny kanto

Hanomboka ny 9 septambra izao any Soisa ny « AmbondronA Europe Tour 2023 ». Ny 16 septambra any Alemainina. Hitohy any Toulouse, ny 23 septambra. Ny 30 septambra ho ao amin’ny Renivohitr’i Frantsa indray ny tarika AmbondronA. Ny 7 oktobra, hanatanteraka seho any Marseille.

Rahampitso amin’ny 12 ora atoandro, eny amin’ny Kianja Santilo Anosizato, no hifanandrina amin’ny lalao baolina kitra ny samy mpanoratra. Ny Havàtsa-Upem, hifandona amin’ny Faribolana Sandratra. Ny lehilahy, 30mn indroa miditra raha 15 mn indroa miditra kosa ny vehivavy.

Ny 10 septambra izao amin’ny 3 ora tolakandro, hanatanteraka seho miavaka etsy amin’ny FJKM Ambalavao Isotry i Rija Ramanantoanina, miaraka amin’ny zavamaneno orga « Diamondra ». Handray anjara amin’ity seho ity koa ny Bandy Baraka Big Band tarihin’i Seta Ramaroson izay filohan’ny fikambanan’ny mpitendry zavamaneno eo anivon’ny FJKM.

Ho saba-droa lela eo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny fisian’ireo tambajotran-tserasera sy ny zava-boarakitra ao anatiny. Maro ireo manoratra izay heveriny fa lalana nodiavin’ity Nosy ity sy ny Malagasy monina ao aminy. Hitondra vokatra tsara ho an’ny Malagasy raha ny marina tokoa no voasoratra. Fa mety hanimba zavatra be raha ny diso no mibahan-toerana.

Partager sur: