Karohina ny rainy : fatin-jaza sembana nasesika tanaty gony

Nampivarahontsana ny nanjo ity zalahikely vao sivy taona, tao Sambava. Novonoina, nasesika tanaty gony ny vatana mangatsiakany, nalatsaka tao an-davadrano. Ahiana ho tompon’antoka ny rainy.

Ankizy sivy taona hita faty tao amin’ny fokontany Ambodimanga Angaiky, kaominina Marogaona, distrikan’i Sambava, ny faran’ny herinandro teo. Nariana tao anaty lavadrano izy rehefa nofonosina bodofotsy ary nofatoran’ny tsy mataho-tody anaty gony, ny alahady 3 septambra teo. Nanao fitsirihana ny razana ny zandary manao ny fanadihadiana. Nahitana ratra ny lohan’ ny zaza ary ahina ho antony nitarika ny fahafatesany, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny zana-tobim-paritra Amboangi­be. Telo andro taorian’ny na­monoana azy vao hita io vatan’ ny zaza lasibatra io. Karohina fatratra ny rainy, izay niteraka azy amin’izao fotoana noho izy tsy hita popoka. Mipetraka aminy ny ahiahy voalohany.
Efa nisaraka ny ray sy ny renin’ilay zaza maty. Notazo­min’ny rainy anefa izy ka niara-nonina taminy sy ny sakaizany. Niala tao amin’ny trano fonenany anefa ny renikeliny noho ny disadisa, ny 29 aogositra lasa teo. Roa andro taorian’izay, nandao ny trano koa ny rainy. Nihidy ny trano. Nasian’ity farany soratra fa ahofa izany. Nanahy ny mahakasika ilay ankizy ny manodidina azy ireo ka niezaka niantso ilay rangahy. Tsy tratra antso intsony izy. Ny alahady maraina teo, nahare fofona maimbo tao anaty lavadrano ny mponina tao Ambodimanga Angaiky. Nijery ny zava-nisy kinanjo fatin’ilay zaza. Mandray an-tanana ny famotorana ny zandary ao an-toerana. Karohina fatratra ilay raim-pianakaviana sy ny sakaizany izay tsy hita popoka.

Tsiferana R.

Partager sur: