Hatao rahampitso sy ny zoma ho avy izao, eny amin’ny esplanade Ankatso, ny hairanty fampahafantarana ireo lalam-piofanana eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Manodidina ny 35 000 ny isan’ny mpianatra manaraka fampianarana isan-taona, anisany ireo vao nahazo ny mari-pahaizana bakalorea teo. Hanampy azy ireo hisafidy ny lalam-piofanana ny hairanty.
Nanome fonosan-tsakafo 4 000 mahery ho an’ny olona sahirana ny Ambatovy, ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana, nandritra ny tapa-bolana voalohany tamin’ny volana aogositra lasa teo. Misanda 243 tapitrisa Ar ny fanomezana natao hanampiana ny minisiteran’ny Mponina hanohanana ireo sahirana.
Natao ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny dokotera Razafimahatratra Rado, talen’ny hopitaly CHU Anosiala teo aloha, sy ny profesora Rajaonarivony Tianarivelo, tale vaovao. Nanotrona izany ireo mpiara-miasa akaiky aminy ao amin’ny ADAT, ADAAF, Chefs de services, membres CA, Chef personnel…
Natao ny herinandro teo ihany koa ny famindram-pahefana teo amin’ny sekretera mpanatanteraka vonjy maikan’ny CNLS Madagascar teo aloha, Atoa Rasoanarivo Jasminah sy Dr Randriantsara Haja, sekretera mpanatanteraka vonjimaika vaovao. Naneho ny fahavononany ny rehetra na ny manam-pahefana na ny tomponandraikitra hanamafisana ny ady ho amin’ny tsaratsara kokoa.