Rabearimanana Gabriel : nanolotra boky haren-tsaina ho an’ny CUA

Karazam-boky maro mirakitra tantara sy haren-tsaina no natolotry ny fianakavian-dRabearimanana Gabriel ny CUA, omaly.

Natao omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’ Antananarivo Renivo­hitra, ny fanolorana ireo boky nosoratany sy tahirin’ny profesora Rabearimanana Gabriel ho an’ny tranombokin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Nandray izany ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vo­hitra, Andriantsitohaina Naina sy ny talen’ny kolontsaina sy ny zava-kanto ao amin’ny CUA. Nanapa-kevitra ny fianakaviana fa entina hositrahan’ny vahoaka malagasy rehetra mandalo sy monina eto Antananarivo ny bokin’ity olo-malaza ity, izay feno haren-tsaina. Nifanandrify indrindra tamin’ny faha-50 taona nampianarany teny
amin’ny oniversite rahateo ny omaly. Sekretera jeneralin’ny Antoko Monima, mpampianatra mpikaroka teny amin’ny anjerimanontolo, manampahaizana momba ny «Géopo­litique» sy ny tantara ary Sojabe tao amin’ny fakiol­tean’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha olona (FLSH) izy fony fahavelony. Nanoratra boky maromaro ihany koa. Anisan’ny fanandratana azy ny fanolorana ny boky ho an’ny kaominina, hoy ny fianakaviana. Misy boky nivoaka isam-bolana sy isaky ny roa volana ary nisy ny nivoaka isan-taona izay tena harena ho an’ny mpianatra. Nisy koa ny voka-pikarohana notarihiny ary ny boky nangoniny tamin’izy mpianatra sy mpampianatra izay natolotra avokoa. Ampahany amin’ny boky no noraisina omaly fa mbola ho avy ny fanampiny aorian’ny fandaminana ataon’ny fianakaviana. Hanampy ireo tahirin-kevitra sy boky ho azo vakiana ao amin’ny Tranom­bokin’ny kaominina ireo natolotra omaly.

Tatiana A

Partager sur: